Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 131
Fanarahana ny fanetren-tena.

       1Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida.
Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko,
tsy mba niandranandrana ny fijeriko,
tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho,
na izay avo mihoatra noho izaho.
       2Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin'ny fiononana sy fahanginana aho,
toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny,
toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
       3Apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao, ry Israely,
ankehitriny sy mandrakizay! >