Ny Salamo
Salamo toko 134
Fiantsoana ny mpisorona sy levita hidera an'Andriamanitra andro aman'alina.
1Fihirana fiakarana.
Aoka hisaotra an'ny Tompo àry
hianareo rehetra mpanompon'ny Tompo,
izay manao fanompoana ao an-tranon'ny Tompo,
mandritra ny alina.
2Manandràta tànana ho amin'ny fitoerana masina,
ary misaora an'ny Tompo.
3Hitahy anao avy ao Siona anie Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany. >