Ny Salamo

Toko faha-135

1 Aleloia! - Miderà ny anaran'ny Tompo, miderà azy hianareo mpanompon'ny Tompo,

2 hianareo manao fanompoana ao an-tranon'ny Tompo, eo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.

3 Miderà an'ny Tompo fa tsara Iaveh, mihirà ny anarany amin'ny harpa, fa mamy tanteraka.

4 Fa Iaveh efa nifidy an'i Jakoba ho azy, sy an'Israely ho lovany.

5 Eny, fantatro, lehibe Iaveh, ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6 Manao izay tiany rehetra Iaveh, eny an-danitra sy ety ambonin'ny tany, any an-dranomasina sy any amin'ny hantsana rehetra.

7 Mampiakatra ny zavona avy amin'ny faran'ny tany izy; mandefa ny tselatra aman-dranonorana, mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.

8 Namono ny voalohan-terak'i Ejipta izy fahiny, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby.

9 Naneho famantarana amam-pahagagana izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an'i Faraona sy ny mpanompony rehetra.

10 Firenena maro no nasiany, ary mpanjaka mahery no novonoiny:

11 Sehona mpanjakan'ny Amoreana, Oga mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,

12 ka natolony ho lova ny tanin'ireo, dia ho lovan'Israely vahoakany.

13 Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny anaranao: Iaveh ô maharitra amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana anao.

14 Fa manome rariny ny vahoakany Iaveh, ary miantra ny mpanompony izy.

15 Ny sampin'ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asa-tànan'olombelona.

16 Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita;

17 manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon'aina akory aza ny vavany.

18 Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!

19 Misaora an'ny Tompo, ry taranak'Israely! Misaora an'ny Tompo, ry taranak'i Aarona!

20 Misaora an'ny Tompo, ry taranak'i Levì! Misaora an'ny Tompo, hianareo matahotra an'ny Tompo!

21 Hisaorana avy ao Siona anie Iaveh, izay mitoetra ao Jerosalema! Aleloia!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.643