Ny Salamo

Toko faha-137

1 Teo amoron'ny onin'i Babilona, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an'i Siona.

2 Teo amin'ny hazo malahelo eo an-dohasahany, no nahantonay ny harpanay.

3 Fa teo izahay dia nangatahan'ireo nitana anay am-pahababoana, hanao hiram-pivavahana sy hira fiderana; nangatahin'ireo mpampahory anay hira fifaliana izahay: Manaova hiran'i Siona ho anay hianareo.

4 Hataonay ahoana no fihira ny hiran'ny Tompo any an-tanin'ny olona hafa firenena?

5 Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka hanadino tsy hahetsika ny tànako ankavanana!...

6 Aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako, raha mitsahatra ny mihevitra anao aho, raha tsy Jerosalema no ataoko loha laharana amin'ny fifaliako!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0682