Ny Salamo
Toko faha-138
1 Nataon'i Davida. Sitrako ny midera anao amin'ny foko rehetra, sy hihira ho anao amin'ny harpa eo anatrehan'ireo andriamanitra.2 Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.
3 Tamin'ny andro niantsoako anao naneky ahy hianao, naverinao amin'ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
6 Fa avo Iaveh ka mijery ny iva toetra, ary fantany eny lavitra eny, ny mpiavonavona.
8 Hotanterahin'ny Tompo izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tànanao!
