Ny Salamo

Toko faha-138

1 Nataon'i Davida. Sitrako ny midera anao amin'ny foko rehetra, sy hihira ho anao amin'ny harpa eo anatrehan'ireo andriamanitra.

2 Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.

3 Tamin'ny andro niantsoako anao naneky ahy hianao, naverinao amin'ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.

4 Hidera anao, Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, rahefa mandre ny teny to naloaky ny vavanao.

5 Hankalaza ny làlan'ny Tompo izy ireo, fa lehibe ny voninahitry ny Tompo.

7 Raha mizotra eo afovoan'ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tànana hanohana ny hatezeran'ny fahavaloko hianao, ary mamonjy ahy ny tànanao ankavanana.

8 Hotanterahin'ny Tompo izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tànanao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.106