Ny Salamo

Toko faha-139

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy hianao:

2 fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.

3 Hianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, ary mahazatra anao ny làlako rehetra.

4 Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza, efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.

5 Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko hianao, ary apetrakao amiko ny tànanao.

6 Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany, ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.

7 Aiza no halehako lavitra ny fanahinao, aiza no handosirako lavitra ny tavanao?

8 Raha miakatra any an-danitra aho, any hianao, raha mandry any amin'ny seoly aho, indro ao hianao.

9 Raha maka ny elatry ny maraina aho, ka mandeha hitoetra any am-paran'ny ranomasina,

10 ny tànanao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tànanao ankavanana no hihazona ahy.

11 Ka milaza aho hoe: Ny aizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...

12 Tsy misy maizina ho anao, na ao amin'ny aizina aza, mamiratra toy ny andro ho anao ny alina, ary ny aizina toy ny fahazavana.

13 Hianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon'ineny.

14 Midera anao aho, amin'ny nanaovanao ahy ho zava-boahary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin'ny fanahiko ny mieky izany.

15 Tsy niafina taminao ny tenako, tamin'ny namoronana ahy tao amin'ny miafina, voatenona tamim-pahaizana, tao amin'ny fanambanin'ny tany.

16 Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan'ny masonao, ary voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan'ny tsy mbola nisiany akory.

17 Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany!

18 Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan'ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!

19 Andriamanitra ô tsy handringana ny ratsy fanahy va hianao? Mialà amiko hianareo mpandatsa-dra!

20 Fiteny mahameloka no iresahany anao, manonom-poana ny anaranao ireo fahavalonao ireo.

21 Ry Iaveh , tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala anao, sy manao ho zava-betaveta an'ireo mitsangan-kanohitra anao?

22 Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho.

23 Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!

24 Jereo raha eo amin'ny làlan-dratsy aho, dia tariho eo amin'ny làlana mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912