Ny Salamo
Salamo toko 14
Ny ankasomparan'ny mpanota sy ny fanasaziana azy.
1 Ny adala manao anakam-po hoe: Tsy misy Andriamanitra!
Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony;
tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
2 Iaveh mitsinjo ny zanak'olombelona eny amin'ny lanitra ambony eny,
mba hahita raha misy olon-kendry anankiray,
olona iray mitady an'Andriamanitra.
3 Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa;
tsy misy manao ny tsara na dia iray aza,
na dia iray monja aza.
4 Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy?
Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina
tsy miantso an'Iaveh izy ireo.
5 Ho tera-kovitra tampoka azon'ny fivadiham-po izy,
fa eo afovoan'ny taranaka marina Andriamanitra.
6 Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain'ny ory.
Nefa Andriamanitra no arony.
7 Endrey! Hivoaka avy any Siona anie ny famonjena an'Israely.
Rahefa hampodin'Iaveh ireo nentin-ko babo amin'ny vahoakany,
dia ho faly Jakoba ary ho ravo Israely!