Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 144, 1,2,9-10,
Efa namonjy ny vahoakany tamin'ny fahavalony Iaveh ka angatahina hanome azy fandresena tanteraka - Ny hasambarana amam-panambinana amin'ny andro iadanana.

       1Nataon'i Davida.

Isaraona anie Iaveh vatolampiko,
izay nampianatra ny tànako hiady,
ary ny rantsan-tànako hiantafika.
       2Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,
fialofako avo amam-panafaka ahy,
ampingako amam-pialofako,
izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!
       9Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho anao aho,
hankalaza anao amin'ny valiha tory folo aho.
       10Hianao izay nanome fandresena ny mpanjaka,
sy namonjy an'i Davida mpanomponao amin'ny sabatra mahafaty, >