Ny Salamo
Toko faha-145
1 Hira fiderana. Nataon'i Davida. ALEPH Sitrako ny mankalaza anao, ry Andriamanitro, Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny anaranao mandrakizay doria.9 TETH Tsara fo amin'ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin'ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony.
10 YOD Midera anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra anao ny mpino anao.
11 KAPH Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao;
12 LAMED mba hampahalalany ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
13 MEM Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin'ny taona rehetra ny fanapahanao.