Ny Salamo
Toko faha-145
2 BETH Sitrako ny misaotra anao isan'andro, sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria!3 GHIMEL Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
4 DALETH Ny taona rehetra samy hilaza amin'izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
5 HE Hihira ny famirapiratan'ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga.
6 VAV Horesahin'ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
7 ZAIN Hambaran'ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazaina ny fahamarinanao.