Ny Salamo

Salamo toko 146
Fiderana an'Andriamanitra sy fitokiana ny heriny amam-pamindram-pony.

       1 Aleloia
Midera an'ny Tompo, ry fanahiko.
       2 Sitrako ny midera an'ny Tompo, amin'ny andro rehetra iainako;
sitrako ny mihira ho an'Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
       3 Aza mametraka ny fitokianareo amin'ny mpanapaka,
na amin'ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy;
       4 fa miala ny fofon'ainy, dia miverina amin'ny vovony izy,
ary amin'izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy.
       5 Sambatra izay manana ny Andriamanitr'i Jakoba ho famonjena azy
sy mametraka ny fitokiany amin'ny Tompo Andriamaniny.
       6 Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany,
ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
maharitra amin'ny tsy fivadihany izy.
       7 Manome rariny an'izay ampahoriana,
manome hanina an'izay noana;
Iaveh manafaka an'izay voababo;
       8 Iaveh mampihiratra ny jamba;
Iaveh mampitraka ny mitanondrika;
Iaveh tia ny marina;
       9 Iaveh miaro ny mpivahiny;
manohana ny kamboty amam-pitondratena izy;
fa mampiolakolana ny làlan'ny ratsy fanahy kosa.
       10 Mpanjaka mandrakizay Iaveh,
Andriamanitrao amin'ny taona mifandimby izy, ry Siona.
Aleloia!