Ny Salamo

Toko faha-146

2 Sitrako ny midera an'ny Tompo, amin'ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an'Andriamanitra raha mbola velona koa aho.

3 Aza mametraka ny fitokianareo amin'ny mpanapaka, na amin'ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy;

4 fa miala ny fofon'ainy, dia miverina amin'ny vovony izy, ary amin'izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy.

5 Sambatra izay manana ny Andriamanitr'i Jakoba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin'ny Tompo Andriamaniny.

6 Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy; maharitra amin'ny tsy fivadihany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.052