Ny Salamo

Toko faha-147

1 Aleloia! MiderĂ  an'ny Tompo, fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika, fa mamy sy mendrika ny midera azy.

2 Manangana an'i Jerosalema indray Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin'Israely.

3 Sitraniny ireo torotoro fo, ary feheziny ny ferin'izy ireo.

4 Manisa ny isan'ny kintana izy, ary tononiny samy amin'ny anarany avy izy rehetra.

5 Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.

6 Manati-bonjy ho an'ny manetry tena Iaveh, fa manetry ny ratsy fanahy amin'ny tany kosa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2083