Ny Salamo
Toko faha-149
1 Aleloia! Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo: hanakoako eo amin'ny fiangonan'ny olomasina anie ny fiderana azy!2 Hifaly amin'ny Mpahary azy anie Israely, hientan-karavoana amin'ny Mpanjakany anie ny zanak'i Siona!
3 Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihiny; aoka hihira azy amin'ny ampongatapaka sy ny harpa!
4 Fa ankasitrahan'ny Tompo ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin'ny famonjeny azy izy.
5 Mandresy amim-boninahitra ny mpino, mientan-kafaliana eo am-pandriany izy ireo.
6 Eo am-bavany ny fiderana an'Andriamanitra, ary eo an-tànany ny sabatra roa lela.
9 mba hampihatra amin'izy ireo ny teny fitsarana voasoratra: Voninahitra voatokana ho an'ny mpino azy rehetra izany. Aleloia!