Ny Salamo

Salamo toko 150
Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny zava-maneno isan-karazany.

       1 Aleloia!
Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina!
Miderà azy amin'ny fitoeran'ny fahefany!
       2 Miderà azy noho ny asa nataony amin-kerim-po!
Miderà azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa!
       3 Miderà azy amin'ny feon-trompetra!
Miderà azy amin'ny harpa aman-dokanga!
       4 Miderà azy amin'ny dihy miaraka amin'ny ampongatapaka!
Miderà azy amin'ny sodina aman-java-maneno tendrena!
       5 Miderà azy amin'ny kipantsona mazava feo!
miderà azy amin'ny kipantsona mikarantsana!
       6 Aoka hidera an'ny Tompo ny manam-pofon'aina rehetra!
Aleloia!