Ny Salamo

Toko faha-15

2 Izay mandeha amin'ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.

3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.

4 Ny voaheloka no mendrika halam-baraka eo imasony; fa ny matahotra an'ny Tompo kosa omeny voninahitra. Raha nanao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.

5 Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny. Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena arak'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0544