Ny Salamo

Salamo toko 16
Hasambaran'ny marina izay nifidy an'Andriamanitra ho anjarany.

       1 Hiran'i Davida.

Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.
       2 Hoy aho amin'ny Tompo: Tompoko hianao,
hianao irery no fananako.
       3 Ny olo-masina izay ety amin'ny tany,
ireo malaza, dia tiako amin'ny foko rehetra.
       4 Ampitomboin'ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina,
fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony,
na hanao ny anaran'ireny eo amin'ny molotro akory.
       5 Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako;
hianao no miantoka ny anjarako
       6 Norefesin'ny famolaina izay anjarako soa,
eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.
       7 Isaorako Iaveh izay nanolo-tsaina ahy;
na dia alina aza ny andro mbola anarin'ny foko ihany aho.
       8 Ataoko eo imasoko mandrakariva Iaveh,
fa eo ankavanako izy; tsy hangozohozo aho.
       9 Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko;
mandry tsy amin'ahiahy mbamin'ny vatako aza.
       10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny Seoly ny fanahiko;
tsy havelanao hahita ny fahalovana ilay tia anao.
       11 Hampahafantarinao ahy ny làlan'ny fiainana:
hafaliana feno no eo anatrehan'ny tavanao;
fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana.