Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 17, 1.6-7.8b.15
Fangatahan'ny olo-marina ho afaka amin'ny fahavalony.

       1Fivavak'i Davida.

Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny,
henoy ny fitarainako;
atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako,
izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.
       6Miantso anao aho, fa mamaly ahy hianao, ry Andriamanitra;
atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.
       7Asehoy ny hatsaram-ponao, hianao izay mamonjy ny mifefy
ao amin'ny tànana ankavanana, tsy ho azon'ny fahavalony.
       8Tandremo tahaka ny anakandriamaso aho;
afeno eo ambanin'ny aloky ny elatrao aho,
       15Fa izaho kosa dia hibanjina ny tavanao amin'ny fananako tsiny;
sy hiala liana mijery ny sarinao amin'ny fifohazako. >