Ny Salamo

Toko faha-17

1 Fivavak'i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.

6 Miantso anao aho, fa mamaly ahy hianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.

7 Asehoy ny hatsaram-ponao, hianao izay mamonjy ny mifefy ao amin'ny tànana ankavanana, tsy ho azon'ny fahavalony.

8 Tandremo tahaka ny anakandriamaso aho; afeno eo ambanin'ny aloky ny elatrao aho,

15 Fa izaho kosa dia hibanjina ny tavanao amin'ny fananako tsiny; sy hiala liana mijery ny sarinao amin'ny fifohazako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.254