Ny Salamo
Toko faha-17
1 Fivavak'i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.5 Nifikitra tao amin'ny làlanao ny diako; ary tsy mba nangozohozo ny tongotro.
6 Miantso anao aho, fa mamaly ahy hianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.
8 Tandremo tahaka ny anakandriamaso aho; afeno eo ambanin'ny aloky ny elatrao aho,
15 Fa izaho kosa dia hibanjina ny tavanao amin'ny fananako tsiny; sy hiala liana mijery ny sarinao amin'ny fifohazako.