Ny Salamo

Toko faha-17

1 Fivavak'i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.

2 Hivoaka avy amin'ny tavanao anie ny fitsarana ahy; hijery ny marina anie ny masonao!

3 Hianao efa nizaha toetra ny foko: namangy azy nony alina, nitsapa ahy tamin'ny memy, fa tsy mahita na inona na inona hianao. Tsy mifanohitra amin'ny fisainako ny vavako.

6 Miantso anao aho, fa mamaly ahy hianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.

7 Asehoy ny hatsaram-ponao, hianao izay mamonjy ny mifefy ao amin'ny tànana ankavanana, tsy ho azon'ny fahavalony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1122