Ny Salamo

Toko faha-19

1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Tonon-kiran'i Davida.

2 Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tànany.

3 Ny andro mitory fiderana amin'ny andro, ny alina mampandre izany amin'ny alina.

4 Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:

5 fa mitety ny tany rehetra ny fanenon'ny feony, ka tonga hatramin'ny faran'ny tany ny fikarantsan'ny feony. Dia any izy no nanangan-day ho an'ny masoandro.

6 Ary izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin'ny trano fandriany dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny làlan-kalehany.

7 Any amin'ny ila faravodilanitra izy no miala ; ary any amin'ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanany.

8 Lavorary ny lalàn'ny Tompo, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon'ny Tompo, ka mahahendry ny kely saina.

9 Mahitsy ny fandidian'ny Tompo, ka mahafaly ny fo; madio ny didin'ny Tompo, ka mampahazava ny maso.

10 Masina ny fahatahorana an'ny Tompo, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'Iaveh, ka mahitsy avokoa.

11 Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.

12 Ny mpanomponao koa dia hazavain'ireny; ary misy valiny lehibe ho an'izay mitandrina azy.

13 Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin'izay tsy fantatro.

14 Arovy amin'ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin'ny ota lehibe.

15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin'ny vavako, mbamin'ny fitiavan'ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2641