Ny Salamo
Salamo toko 19
Ny voninahitr'Andriamanitra hita amin'ny asany - Ny fahalavorarian'ny lalàny.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Tonon-kiran'i Davida.
2 Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra,
ary ny habakabaka manambara ny asan-tànany.
3 Ny andro mitory fiderana amin'ny andro,
ny alina mampandre izany amin'ny alina.
4 Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny
izay tsisy haharenesana ny feony:
5 fa mitety ny tany rehetra ny fanenon'ny feony,
ka tonga hatramin'ny faran'ny tany ny fikarantsan'ny feony.
Dia any izy no nanangan-day ho an'ny masoandro.
6 Ary izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin'ny trano fandriany
dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny làlan-kalehany.
7 Any amin'ny ila faravodilanitra izy no miala ;
ary any amin'ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany;
tsy misy tsy takatry ny hafanany.
8 Lavorary ny lalàn'Iaveh,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teny vavolombelon'Iaveh,
ka mahahendry ny kely saina.
9 Mahitsy ny fandidian'Iaveh,
ka mahafaly ny fo;
madio ny didin'Iaveh,
ka mampahazava ny maso.
10 Masina ny fahatahorana an'Iaveh,
ka maharitra mandrakizay;
marina ny fitsipik'Iaveh,
ka mahitsy avokoa.
11 Sarobidy noho ny volamena ireny,
mihoatra noho ny volamena madio betsaka;
mamy noho ny tantely izy,
mihoatra noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
12 Ny mpanomponao koa dia hazavain'ireny;
ary misy valiny lehibe ho an'izay mitandrina azy.
13 Iza moa no mahalala ny faniasiavany?
Mamelà ahy amin'izay tsy fantatro.
14 Arovy amin'ny mpiavonavona koa ny mpanomponao;
aoka tsy hanjaka aminy ireny.
Dia ho lavorary aho, ho madio
amin'ny ota lehibe.
15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin'ny vavako,
mbamin'ny fitiavan'ny foko,
eo anatrehanao, ry Iaveh,
Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!