Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 19, 2-3,4-5,

       <2Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra,
ary ny habakabaka manambara ny asan-tànany.
       3Ny andro mitory fiderana amin'ny andro,
ny alina mampandre izany amin'ny alina.
       4Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny
izay tsisy haharenesana ny feony:
       5fa mitety ny tany rehetra ny fanenon'ny feony,
ka tonga hatramin'ny faran'ny tany ny fikarantsan'ny feony.
Dia any izy no nanangan-day ho an'ny masoandro. >