Ny Salamo
Salamo toko 19. 8,9,10,15,
8 Lavorary ny lalàn'ny Tompo,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teny vavolombelon'ny Tompo,
ka mahahendry ny kely saina.
9 Mahitsy ny fandidian'ny Tompo,
ka mahafaly ny fo;
madio ny didin'ny Tompo,
ka mampahazava ny maso.
10 Masina ny fahatahorana an'ny Tompo,
ka maharitra mandrakizay;
marina ny fitsipik'Iaveh,
ka mahitsy avokoa.
15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin'ny vavako,
mbamin'ny fitiavan'ny foko,
eo anatrehanao, ry Iaveh,
Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!