Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 19, 8abcd,9abcd,10abcd,11abcd,

       <8Lavorary ny lalàn'ny Tompo,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teny vavolombelon'ny Tompo,
ka mahahendry ny kely saina.
       9Mahitsy ny fandidian'ny Tompo,
ka mahafaly ny fo;
madio ny didin'ny Tompo,
ka mampahazava ny maso.
       10Masina ny fahatahorana an'ny Tompo,
ka maharitra mandrakizay;
marina ny fitsipik'Iaveh,
ka mahitsy avokoa.
       11Sarobidy noho ny volamena ireny,
mihoatra noho ny volamena madio betsaka;
mamy noho ny tantely izy,
mihoatra noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra. >