Ny Salamo

Salamo toko 2
Ny fandresen'ilay voahosotr'Iaveh.

       1 Nahoana no mihetsiketsika amim-pitabatabana ny firenena,
ary mamorona hevi-poana ny vahoaka?
       2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsimbohitra,
ary ny andriana koa miara-mioko,
hanohitra an'Iaveh sy ny Voahosony:
       3 Tapaho ny famatorany, hoy ireny
ary ario lavitra antsika ny gadrany!
       4 Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky;
maneso an'ireny ny Tompo.
       5 Ka hiteny amin'ireny izy noho ny fahavinirany,
sy hampangorohoro azy amin'ny fisafoahany:
       6 Ary izaho efa nanangana ny mpanjakako,
ao ambonin'i Siona tendrombohitro masina.
       7 Hamoaka ny didy aho:
Iaveh nilaza tamiko hoe: Zanako hianao,
niteraka anao aho ankehitriny.
       8 Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena,
ho fanjakanao, ny vazan-tany efatra.
       9 Hanorotoro azy amin'ny tehim-by hianao;
hanamontsamontsana azy toy ny vilanin'ny mpanefy.
       10 Koa ankehitriny mba hendry hianareo mpanjaka;
minoa anatra hianareo mpitsaran'ny tany.
       11 Manompoa an'Iaveh amim-pahatahorana,
mientàn-kafaliana amim-pangovitana.
       12 Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy;
ka ho very any amin'ny làlanareo hianareo;
fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany.
Sambatra izay rehetra matoky azy.