Ny Salamo
Salamo toko 20
Fivavahana ho an'ny mpanjaka ndeha hiantafika.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Salamon'i Davida.
2 Hihaino anao amin'ny andron'ny fahoriana anie Iaveh;
hiaro anao anie ny anaran'ny Andriamanitr'i Jakoba.
3 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerany masina anie izy;
hanohana anao avy any Siona anie izy!
4 Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie izy,
ary hankasitraka ny soronao dorana! - Selà.
5 Homeny anao anie izay irin'ny fonao;
ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!
6 Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin'ny hobin-kafaliana;
hanangam-paneva amin'ny anaran'Andriamanitsika;
hotanterahin'Iaveh anie izay irinao rehetra!
7 Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony Iaveh;
hihaino azy izy any an-danitra, fonenany masina,
amin'ny famonjena mahery hataon'ny tànany ankavanana.
8 Ny sasany mitoky amin'ny kalesiny;
ny sasany amin'ny soavaliny;
fa isika kosa miantso ny anaran'Iaveh Andriamanitsika.
9 Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo;
izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.
10 Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! -
Hihaino antsika anie izy amin'izay andro iantsoantsika azy.