Ny Salamo
Salamo toko 21
Fisaorana rahefa avy nandresy.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Salamon'i Davida.
2 Ry Iaveh, mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka;
endrey ny haben'ny firavoravoany amin'ny famonjenao!
3 Nomenao azy izay nirin'ny fony,
tsy nolavinao izay nangatahin'ny molony. - Selà.
4 Fa notsenainao fanambinana fatratra izy;
satro-boninahitra volamena madio no nataonao tamin'ny lohany.
5 Nangataka aina taminao izy, ka nomenao azy izany;
dia andro lava sy mandrakizay alaovalo.
6 Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny;
nomenao laza amam-pamirapiratana izy.
7 Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy;
fenoinao hafaliana eo anatrehan'ny tavanao izy.
8 Fa matoky an'Iaveh ny mpanjaka,
ka tsy mangozohozo izy noho ny famindram-pon'ny Avo indrindra.
9 Ho azon'ny tànanao ny fahavalonao rehetra, ry mpanjaka,
ho azon'ny tànanao ankavanana izay mankahala anao;
10 hataonao toy ny fatana mirehitra izy,
amin'ny andro hampisehoanao ny tavanao.
Haringan'Iaveh amin'ny fahatezerany izy ireo,
ary handevona azy ny afo.
11 Hofongoranao eo amin'ny tany ny taranany,
ary eo amin'ny zanak'olombelona ny tamingany.
12 Nanao fiomanana handevona anao izy ireo
namoron-kevi-dratsy, nefa tsy hahefa.
13 Fa hianao kosa no hampiamboho azy;
hikendry ny handriny amin'ny tsipìkanao hianao.
14 Mitsangàna amin'ny herinao, ry Iaveh ô,
te-hihira sy hankalaza ny fahefanao izahay.