Ny Salamo

Toko faha-22

8 Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:

9 Aoka izy hanankina ny tenany amin'ny Tompo. Aoka hovonjeny izy. Aoka hafahany izy fa tiany.

17 Fa amboa no mitangorona amiko; andian'olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy; nandoaka ny tongotro aman-tànako izy;

18 mahisa ny taolako rehetra aho. Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;

19 zarain'izy ireo ny fitafiako, ary ilokany ny akanjoko.

20 Fa hianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy! Hianao heriko, faingàna hamonjy ahy!

23 Dia hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; hidera anao eo amin'ny fiangonana aho:

24 Miderà an'ny Tompo hianareo izay matahotra azy! manomeza voninahitra azy hianareo rehetra taranak'i Jakoba, manajà azy hianareo rehetra taranak'Israely!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.277