Ny Salamo
Salamo toko 24
Ahoana no fanatonana an'Iaveh?
1 Salamon'i Davida.
An'Iaveh ny tany, mbamin'izay rehetra ao aminy,
izao tontolo izao mbamin'ny mponina rehetra ao aminy.
2 Fa izy no nanorina azy, tambonin'ny ranomasina;
sy nampitoetra azy tambonin'ny ony.
3 Iza no hiakatra any amin'ny tendrombohitr'Iaveh?
iza no hitoetra eo amin'ny fitoerany masina?
4 Izay tsy manan-tsiny ny tànany, ary madio ny fony,
izay tsy manarana ny fanahiny amin'ny lainga,
ary tsy mianiana mba hamitaka.
5 Hahazo ny fanambinan'Iaveh izy,
ny fahamarinana avy amin'ny Tompon'ny famonjeny.
6 Toy izany ny taranak'izay mitady azy,
dia ireo mitady ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba. - Selà.
7 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata hianareo, ry varavarana fahagola,
hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.
8 Iza moa izany Mpanjakan'ny voninahitra izany?
Iaveh mahery sy mahefa,
Iaveh mahery an'ady.
9 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata hianareo, ry varavarana fahagola
hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra!
10 Iza moa izany Mpanjakan'ny voninahitra izany?
Iavehn'ny tafika,
izy no Mpanjakan'ny voninahitra! - Selà.