Ny Salamo

Toko faha-24

1 Salamon'i Davida. An'ny Tompo ny tany, mbamin'izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin'ny mponina rehetra ao aminy.

2 Fa izy no nanorina azy, tambonin'ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin'ny ony.

3 Iza no hiakatra any amin'ny tendrombohitry ny Tompo? iza no hitoetra eo amin'ny fitoerany masina?

4 Izay tsy manan-tsiny ny tànany, ary madio ny fony, izay tsy manarana ny fanahiny amin'ny lainga, ary tsy mianiana mba hamitaka.

5 Hahazo ny fanambinan'ny Tompo izy, ny fahamarinana avy amin'ny Tompon'ny famonjeny.

6 Toy izany ny taranak'izay mitady azy, dia ireo mitady ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba. - Selà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937