Ny Salamo

Toko faha-24

7 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.

8 Iza moa izany Mpanjakan'ny voninahitra izany? Iaveh mahery sy mahefa, Iaveh mahery an'ady.

9 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata hianareo, ry varavarana fahagola hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra!

10 Iza moa izany Mpanjakan'ny voninahitra izany? Iavehn'ny tafika, izy no Mpanjakan'ny voninahitra! - SelĂ .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.145