Ny Salamo

Salamo toko 25
Fangatahana ny famelan-keloka amam-piarovan'Andriamanitra.

       1 Salamon'i Davida.
ALEPH
Aminao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko,
ry Andriamanitro ô!
       2 BETH
Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho,
aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho!
       3 GHIMEL
Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena anao;
izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
       4 DALETH
Iaveh ô, ampahafantaro ny làlanao aho;
ampianaro ny sakeli-dàlanao aho.
       5 HE
Tariho amin'ny fahamarinanao aho,
VAV
ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko hianao;
hianao no antenaiko mandritra ny andro.
       6 ZAIN
Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh,
sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny.
       7 HETH
Aza tsarovanao ny fahotan'ny fahatanorako, na ny hadisoako,
fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho,
noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
       8 TETH
Tsara sy mahitsy fo Iaveh;
izany no anoroany làlana ny mpanota.
       9 IOD
Mampizotra ny manetry tena amin'ny fahamarinana izy,
mampianatra ny manetry tena ny làlany izy.
       10 KAPH
Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny làlan'Iaveh
amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
       11 LAMED
Noho ny anaranao, ry Iaveh,
dia hamela ny heloko hianao fa lehibe izy.
       12 MEM
Iza no olona matahotra an'Iaveh?
Hampianarin'Iaveh azy ny làlana tokony hofidiny.
       13 NUN
Mandry amim-piadanana ny fanahiny,
ary hanana ny tany ny taranany.
       14 SAMECH
Ny fifankazarana amin'Iaveh dia anjaran'ny matahotra azy,
hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin'ny fanekem-pihavanany.
       15 AIN
Mitodika any amin'Iaveh mandrakariva ny masoko,
fa izy no hanafaka ny tongotro amin'ny fandrika harato.
       16 PHE
Jereo aho, ka amindrao fo,
fa manirery aho, ka mahantra.
       17 TSADE
Mihalehibe ny fahorian'ny foko,
afaho amin'ny fahaporitako aho!
       18 Jereo ny fahoriana amam-pijaliako;
ary avelao ny fahotako rehetra.
       19 RESCH
Jereo ity hamaroan'ny fahavaloko,
sy izato halozan'ny fankahalany ahy.
       20 SCHIN
Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho;
aoka tsy ho menatra aho, fa hianao no nametrahako ny fitokiako.
       21 THAV
Haharo ahy anie ny tsy fananan-tsiny amam-pahitsiana,
fa hianao no antenaiko.
       22 Ry Andriamanitra ô,
afaho Israely amin'ny fahoriany rehetra.