Ny Salamo

Toko faha-25

1 Salamon'i Davida. ALEPH Aminao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko, ry Andriamanitro ô!

2 BETH Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho!

3 GHIMEL Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.

4 DALETH Iaveh ô, ampahafantaro ny làlanao aho; ampianaro ny sakeli-dàlanao aho.

5 HE Tariho amin'ny fahamarinanao aho, VAV ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko hianao; hianao no antenaiko mandritra ny andro.

6 ZAIN Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh, sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny.

7 HETH Aza tsarovanao ny fahotan'ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.

8 TETH Tsara sy mahitsy fo Iaveh; izany no anoroany làlana ny mpanota.

9 IOD Mampizotra ny manetry tena amin'ny fahamarinana izy, mampianatra ny manetry tena ny làlany izy.

10 KAPH Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny làlan'ny Tompo amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.

11 LAMED Noho ny anaranao, ry Iaveh, dia hamela ny heloko hianao fa lehibe izy.

12 MEM Iza no olona matahotra an'ny Tompo? Hampianarin'ny Tompo azy ny làlana tokony hofidiny.

13 NUN Mandry amim-piadanana ny fanahiny, ary hanana ny tany ny taranany.

14 SAMECH Ny fifankazarana amin'ny Tompo dia anjaran'ny matahotra azy, hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin'ny fanekem-pihavanany.

15 AIN Mitodika any amin'ny Tompo mandrakariva ny masoko, fa izy no hanafaka ny tongotro amin'ny fandrika harato.

16 PHE Jereo aho, ka amindrao fo, fa manirery aho, ka mahantra.

17 TSADE Mihalehibe ny fahorian'ny foko, afaho amin'ny fahaporitako aho!

18 Jereo ny fahoriana amam-pijaliako; ary avelao ny fahotako rehetra.

19 RESCH Jereo ity hamaroan'ny fahavaloko, sy izato halozan'ny fankahalany ahy.

20 SCHIN Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa hianao no nametrahako ny fitokiako.

21 THAV Haharo ahy anie ny tsy fananan-tsiny amam-pahitsiana, fa hianao no antenaiko.

22 Ry Andriamanitra ô, afaho Israely amin'ny fahoriany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849