Ny Salamo

Salamo toko 26
Fiantsoan'ny tsy manan-tsiny ny fitsaran'Andriamanitra.

       1 Nataon'i Davida.
Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny aho,
Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.
       2 Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho,
tsapao amin'ny memy ny kiboko sy ny foko;
       3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko,
ary mandeha amin'ny fahamarinana aho.
       4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olona fandainga aho;
tsy miara-mandeha amin'ny olona manao an-kifonofono;
       5 halako ny fivorian'izay manao ratsy,
tsy mipetraka hitsara miaraka amin'ny ratsy fanahy aho.
       6 Manasa ny tànako amin'ny tsy fananan-tsiny aho,
ary manodidina ny otelinao aho, ry Iaveh,
       7 mba handefa feo fiderana,
ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.
       8 Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô,
dia ny fitoerana ipetrahan'ny voninahitrao.
       9 Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin'ny an'ny mpanota
ary ny aiko miaraka amin'ny an'ny olona mpandatsa-dra,
       10 fa ny tànan'ireny misy heloka
ary ny tànany ankavanana feno kolikoly.
       11 Fa izaho kosa nandeha amin'ny tsy fananako tsiny;
afaho sy amindrao fo aho.
       12 Tafapetraka amin'ny tany marina ny tongotro;
hisaotra an'Iaveh ao am-piangonana aho.