Ny Salamo
Salamo toko 26
Fiantsoan'ny tsy manan-tsiny ny fitsaran'Andriamanitra.
1Nataon'i Davida.
Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny aho,
Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.
2Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho,
tsapao amin'ny memy ny kiboko sy ny foko;
3Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko,
ary mandeha amin'ny fahamarinana aho.
4Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olona fandainga aho;
tsy miara-mandeha amin'ny olona manao an-kifonofono;
5halako ny fivorian'izay manao ratsy,
tsy mipetraka hitsara miaraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6Manasa ny tànako amin'ny tsy fananan-tsiny aho,
ary manodidina ny otelinao aho, ry Iaveh,
7mba handefa feo fiderana,
ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.
8Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô,
dia ny fitoerana ipetrahan'ny voninahitrao.
9Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin'ny an'ny mpanota
ary ny aiko miaraka amin'ny an'ny olona mpandatsa-dra,
10fa ny tànan'ireny misy heloka
ary ny tànany ankavanana feno kolikoly.
11Fa izaho kosa nandeha amin'ny tsy fananako tsiny;
afaho sy amindrao fo aho.
12Tafapetraka amin'ny tany marina ny tongotro;
hisaotra an'ny Tompo ao am-piangonana aho. >