Ny Salamo

Toko faha-27

1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?

2 Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy, ka hihinana ny nofoko; raha nandroso ny rafilahiko amam-pahavaloko; dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo.

3 Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.

4 Zavatra iray loha no angatahiko amin'ny Tompo sady iriko fatratra: Dia te-honina eo an-tranon'ny Tompo aho, amin'ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin'ny toetra mahate-ho tian'ny Tompo, sy hibanjina ny fitoerany masina.

5 Fa hoalofany ao amin'ny fonenany aho amin'ny andron'ny fahoriana; hanafina ahy amin'ny fiafenana ao an-dainy izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy izy.

6 Amin'izany ny lohako hisandratra ambonin'ny fahavalo, izay manodidina ahy. Ao amin'ny tabernaklany aho hanatitra sorom-pisaorana. Hihira sy hanao hiram-piderana an'ny Tompo aho.

7 Ry Iaveh ô, henoy ny feoko fa miantso anao aho, mamindra fo amiko, ekeo ny hatako.

8 Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh.

9 Aza afeninao amiko ny tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; hianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy ; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

10 Fa ny ray aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Iaveh kosa handray ahy.

11 Tompo ô, ampianaro ny làlanao aho; tariho amin'ny lalana marina aho; noho ny amin'ireo mitsikilo ahy.

12 Aza manolotra ahy amin'ny haromotan'ireo mpanohitra ahy; fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy; olona tsy mihevitra hafa-tsy ny fanaovana an-keriny.

13 Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo, any amin'ny tanin'ny velona!...

14 Manantenà an'ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantena an'ny Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.109