Ny Salamo

Toko faha-27

1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?

2 Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy, ka hihinana ny nofoko; raha nandroso ny rafilahiko amam-pahavaloko; dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo.

3 Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.

13 Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo, any amin'ny tanin'ny velona!...

14 ManantenĂ  an'ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantena an'ny Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.065