Ny Salamo
Toko faha-27
1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?4 Zavatra iray loha no angatahiko amin'ny Tompo sady iriko fatratra: Dia te-honina eo an-tranon'ny Tompo aho, amin'ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin'ny toetra mahate-ho tian'ny Tompo, sy hibanjina ny fitoerany masina.
7 Ry Iaveh Ă´, henoy ny feoko fa miantso anao aho, mamindra fo amiko, ekeo ny hatako.
8 Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh.
9 Aza afeninao amiko ny tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; hianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy ; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
13 Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo, any amin'ny tanin'ny velona!...
14 ManantenĂ an'ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantena an'ny Tompo!