Ny Salamo

Toko faha-27

1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?

4 Zavatra iray loha no angatahiko amin'ny Tompo sady iriko fatratra: Dia te-honina eo an-tranon'ny Tompo aho, amin'ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin'ny toetra mahate-ho tian'ny Tompo, sy hibanjina ny fitoerany masina.

7 Ry Iaveh รด, henoy ny feoko fa miantso anao aho, mamindra fo amiko, ekeo ny hatako.

8 Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1659