Ny Salamo

Toko faha-27

1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?

7 Ry Iaveh Ă´, henoy ny feoko fa miantso anao aho, mamindra fo amiko, ekeo ny hatako.

8 Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh.

9 Aza afeninao amiko ny tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; hianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy ; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

13 Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo, any amin'ny tanin'ny velona!...

14 ManantenĂ  an'ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantena an'ny Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.121