Ny Salamo
Salamo toko 29
Ny halehiben'Iaveh miseho amin'ny ranonoram-baratra.
1 Salamon'i Davida.
Manomeza an'ny Tompo, ry zanak'Andriamanitra,
manomeza voninahitra sy fahefana ho an'ny Tompo!
2 Omeo an'ny Tompo, ny voninahitry ny anarany.
Mitsaoha an'ny Tompo amin'ny fanamiana masina.
3 Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon'ny Tompo,
mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra;
eny ambony rano be Iaveh.
4 Mafy ny feon'ny Tompo;
be voninahitra ny feon'ny Tompo.
5 Manorotoro ny sedera ny feon'ny Tompo;
manorotoro ny sedera any Libàna Iaveh;
6 mampitsambikina azy ireo tahaka ny vantotr'ombalahy izy,
ka mova tsy ny zanak'ombimanga, i Libàna sy Siriona.
7 Mampitselatra lelafo ny feon'ny Tompo,
8 mampihorohoro ny efitra ny feon'ny Tompo,
mampihorohoro ny efitr'i Kadesa Iaveh.
9 Mampiteraka ny serfavavy ny feon'ny Tompo,
sady mampihintsan-dravina ny ala be;
ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: Voninahitra!
10 Amin'ny safo-drano dia mipetraka ao ambonin'ny fiketrahany Iaveh,
mipetraka ao amin'ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay Iaveh.
11 Hanome hery ny vahoakany Iaveh:
hanambina ny vahoakany, amin'ny fanomezam-piadanana azy Iaveh.