Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 2, 6-7,8-9,10-11,

       <6Ary izaho efa nanangana ny mpanjakako,
ao ambonin'i Siona tendrombohitro masina.
       7Hamoaka ny didy aho:
Iaveh nilaza tamiko hoe: Zanako hianao,
niteraka anao aho ankehitriny.
       8Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena,
ho fanjakanao, ny vazan-tany efatra.
       9Hanorotoro azy amin'ny tehim-by hianao;
hanamontsamontsana azy toy ny vilanin'ny mpanefy.
       10Koa ankehitriny mba hendry hianareo mpanjaka;
minoa anatra hianareo mpitsaran'ny tany.
       11Manompoa an'ny Tompo amim-pahatahorana,
mientàn-kafaliana amim-pangovitana. >