Ny Salamo
Salamo toko 3
Ny fahatokiana an'Andriamanitra raha misy fanenjehana.
1 Tonon-kiran'i Davida; fony izy nandositra teo anatrehan'i Absaloma zanany.
2 Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan'ny fahavaloko!
Endrey ity habetsahan'ireo mitsangan-kamely ahy!
3 Maro ny milaza ny amiko manao hoe:
Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin'Andriamanitra! - Selà.
4 Kanefa, ry Iaveh, hianao no ampingako;
hianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.
5 Miantso an'Iaveh amin'ny feoko aho,
dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina izy. - Selà.
6 Nandry aho dia natory;
nifoha indray aho, fa Iaveh no tohako.
7 Tsy matahotra aho, eo anoloan'ny vahoaka tsy tambo isaina,
izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.
8 Mitsangana, ry Iaveh ô ! Vonjeo aho, ry Andriamanitro !
Fa hianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra;
hianao no manorotoro ny nifin'ny ratsy fanahy.
9 An'Iaveh ny famonjena!
Ho amin'ny vahoakanao anie ny ny fanambinanao! - Selà.