Ny Salamo

Toko faha-30

2 Mankalaza anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy hianao, tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.

4 Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin'ny Seoly hianao; nampody ny aiko hianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.

5 Mihirà ho an'ny Tompo hianareo mpiraikitra aminy, mankalazà ny fahatsiarovana masina azy.

6 Fa indray mipi-maso no aharetan'ny fahatezerany, ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany; ny hariva no tonga ny fitomaniana, ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.

11 Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -

12 Dia nampody ny fidradradradrako ho fifaliana hianao, namaha ny lasakako hianao ka nampisikina fifaliana ahy,

13 mba hankalaza anao ny fanahiko ka tsy hangina, Iaveh Andriamanitro ô, hidera anao mandrakizay aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1136