Ny Salamo

Salamo toko 31
Fitarainan'ny tra-pahoriana.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.
       2 Iaveh ô, Hianao no nataoko fialofako;
aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana!
Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
       3 Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy.
Aoka ho vatolampy fiarovana ahy hianao,
ho trano mimanda hahitako famonjena.
       4 Fa hianao no vatolampy sy trano mimandako;
ary noho ny anaranao dia hitondra sy hitarika ahy hianao.
       5 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato novelariny hianao;
fa hianao no fiarovana ahy.
       6 Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,
dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
       7 Halako izay manaja sampy foana:
fa raha izaho dia Iaveh no itokiako.
       8 Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho;
fa nijery ny fahantrako hianao,
nahita ny fahorian'ny fanahiko hianao,
       9 ary tsy nanolotra ahy teo am-pelatanan'ny fahavaloko hianao;
fa nampitoetra ny tongotro teo amin'ny malalaka.
       10 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho:
simban'alahelo ny masoko,
mbamin'ny fanahiko sy ny kiboko.
       11 Ny aiko lanin'alahelo;
ny taonako difotry ny sento;
ny heriko levona noho ny fahotako;
ary ny taolako fohatra.
       12 Nataon'ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baraka,
ho enta-mavesatra ho an'ny mifanolo-body rindrina amiko,
ary ho tahotra ho an'ny sakaizako.
Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,
       13 zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon'ny olona;
mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.
       14 Reko avokoa ny vava ratsin'ny be sy ny maro,
ny fangorohoroana mahazo ny manodidina,
raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo,
fa miray tetika hamono ny aiko.
       15 Nefa matoky anao aho, ry Iaveh,
hoy aho hoe: Andriamanitro hianao.
       16 Eo an-tànanao ny anjarako,
afaho amin'ny tànan'ny fahavaloko amam-panenjika ahy aho!
       17 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny fahasoavanao aho!
       18 Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso anao;
fa aoka ho an'ny ratsy fanahy ny henatra.
Aoka izy hidina mangina any amin'ny Seoly.
       19 Aoka hanjary moana ny molotra mandainga,
izay miteny amin'avonavona hanohitra ny marina
amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
       20 Akory ny haben'ny hatsaram-ponao,
izay tehirizinao ho an'ireo matahotra anao,
izay asehonao amin'ireo manao anao ho fialofany,
eo imason'ny zanak'olombelona!
       21 Alofanao eo amin'ny aloky ny tavanao izy;
mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy;
mampiery azy ao an-dainao hianao,
mba tsy ho azon'ny lela mamely azy izy.
       22 Isaorana anie Iaveh!
fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko,
tamin'ny nametrahany ahy tao an-tànana mimanda.
       23 Hoy aho tamin'ny fahatairako:
Nariana lavitra ny fijerinao aho!
Kanjo nihaino ny feon'ny fifonako hianao,
nony nitaraina taminao aho.
       24 Tiava an'Iaveh hianareo rehetra mazoto mivavaka aminy;
Miaro ny olona miraikitra aminy Iaveh,
fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
       25 Matokia ary mahereza fo,
hianareo rehetra manantena an'Iaveh!