Ny Salamo

Toko faha-31

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.

2 Iaveh ô, Hianao no nataoko fialofako; aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana! Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.

3 Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy hianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.

4 Fa hianao no vatolampy sy trano mimandako; ary noho ny anaranao dia hitondra sy hitarika ahy hianao.

5 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato novelariny hianao; fa hianao no fiarovana ahy.

6 Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.

7 Halako izay manaja sampy foana: fa raha izaho dia Iaveh no itokiako.

8 Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho; fa nijery ny fahantrako hianao, nahita ny fahorian'ny fanahiko hianao,

9 ary tsy nanolotra ahy teo am-pelatanan'ny fahavaloko hianao; fa nampitoetra ny tongotro teo amin'ny malalaka.

10 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho: simban'alahelo ny masoko, mbamin'ny fanahiko sy ny kiboko.

11 Ny aiko lanin'alahelo; ny taonako difotry ny sento; ny heriko levona noho ny fahotako; ary ny taolako fohatra.

12 Nataon'ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baraka, ho enta-mavesatra ho an'ny mifanolo-body rindrina amiko, ary ho tahotra ho an'ny sakaizako. Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,

13 zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon'ny olona; mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.

14 Reko avokoa ny vava ratsin'ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko.

15 Nefa matoky anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro hianao.

16 Eo an-tànanao ny anjarako, afaho amin'ny tànan'ny fahavaloko amam-panenjika ahy aho!

17 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny fahasoavanao aho!

18 Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso anao; fa aoka ho an'ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin'ny Seoly.

19 Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin'avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.

20 Akory ny haben'ny hatsaram-ponao, izay tehirizinao ho an'ireo matahotra anao, izay asehonao amin'ireo manao anao ho fialofany, eo imason'ny zanak'olombelona!

21 Alofanao eo amin'ny aloky ny tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; mampiery azy ao an-dainao hianao, mba tsy ho azon'ny lela mamely azy izy.

22 Isaorana anie Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin'ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.

23 Hoy aho tamin'ny fahatairako: Nariana lavitra ny fijerinao aho! Kanjo nihaino ny feon'ny fifonako hianao, nony nitaraina taminao aho.

24 Tiava an'ny Tompo hianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.

25 Matokia ary mahereza fo, hianareo rehetra manantena an'ny Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0851