Ny Salamo
Toko faha-31
2 Iaveh ô, Hianao no nataoko fialofako; aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana! Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.3 Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy hianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.
4 Fa hianao no vatolampy sy trano mimandako; ary noho ny anaranao dia hitondra sy hitarika ahy hianao.
5 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato novelariny hianao; fa hianao no fiarovana ahy.
6 Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
15 Nefa matoky anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro hianao.
16 Eo an-tànanao ny anjarako, afaho amin'ny tànan'ny fahavaloko amam-panenjika ahy aho!
20 Akory ny haben'ny hatsaram-ponao, izay tehirizinao ho an'ireo matahotra anao, izay asehonao amin'ireo manao anao ho fialofany, eo imason'ny zanak'olombelona!
