Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 31, 2,6,12-13,15-16,17,25,

       <2Iaveh ô, Hianao no nataoko fialofako;
aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana!
Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
       6Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,
dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
       12Nataon'ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baraka,
ho enta-mavesatra ho an'ny mifanolo-body rindrina amiko,
ary ho tahotra ho an'ny sakaizako.
Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,
       13zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon'ny olona;
mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.
       15Nefa matoky anao aho, ry Iaveh,
hoy aho hoe: Andriamanitro hianao.
       16Eo an-tànanao ny anjarako,
afaho amin'ny tànan'ny fahavaloko amam-panenjika ahy aho!
       17Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny fahasoavanao aho!
       25Matokia ary mahereza fo,
hianareo rehetra manantena an'ny Tompo! >