Ny Salamo

Toko faha-32

1 Nataon'i Davida. Fisaintsainana masina. Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany.

2 Sambatra ny olona tsy tànan'ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny.

3 Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra, tamin'ny fitolokoko isan'andro.

4 Fa nanindry ahy, andro aman'alina, ny tànanao; nihamaina ny herin'ny aiko tamin'ny hainandro lohataona. - Selà.

5 Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin'ny Tompo aho, dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà.

6 Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin'ny fotoana mety. Marina, fa amin'ny fahatondrahan'ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.

7 Hianao no fialofako; hiaro ahy amin'ny fahoriana hianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà.

8 Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao aho, sady hitsinjo anao ny masoko.

9 Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina: tsy maintsy entina amin'ny vy sakam-bavany amam-damboridy ireny; fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.

10 Fahoriana be no anjaran'ny ratsy fanahy; fa fahasoavana kosa no manodidina an'izay matoky an'ny Tompo.

11 Mifalia sy miravoravoa amin'ny Tompo hianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana hianareo mahitsy fo rehetra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0505