Ny Salamo

Salamo toko 32
Ny hasambaran'izay voavela heloka.

       1 Nataon'i Davida. Fisaintsainana masina.
Sambatra izay voaesotra ny helony,
sy voavela ny fahotany.
       2 Sambatra ny olona tsy tànan'ny Tompo heloka,
izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
       3 Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra,
tamin'ny fitolokoko isan'andro.
       4 Fa nanindry ahy, andro aman'alina, ny tànanao;
nihamaina ny herin'ny aiko tamin'ny hainandro lohataona. - Selà.
       5 Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko.
Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin'ny Tompo aho,
dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà.
       6 Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin'ny fotoana mety.
Marina, fa amin'ny fahatondrahan'ny rano be,
dia tsy hahatratra azy izany.
       7 Hianao no fialofako; hiaro ahy amin'ny fahoriana hianao,
hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà.
       8 Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao;
ho mpanolo-tsaina anao aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
       9 Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina:
tsy maintsy entina amin'ny vy sakam-bavany amam-damboridy ireny;
fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.
       10 Fahoriana be no anjaran'ny ratsy fanahy;
fa fahasoavana kosa no manodidina an'izay matoky an'ny Tompo.
       11 Mifalia sy miravoravoa amin'ny Tompo hianareo olo-marina,
Manaova hobin-kafaliana hianareo mahitsy fo rehetra!