Ny Salamo

Salamo toko 33
Fiderana an'Iaveh mpanohana izay miraiki-po aminy.

       1 Mifalia ao amin'Iaveh hianareo, ry olo-marina;
fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
       2 Miderà an'Iaveh amin'ny harpa,
mihirà ho azy amin'ny valiha tory folo.
       3 Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny;
ampiaraho amim-pahaizana amin'ny zava-maneno ny feonareo.
       4 Fa mahitsy ny tenin'Iaveh,
ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.
       5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy;
henika ny hatsaram-pon'Iaveh ny tany.
       6 Ny tenin'Iaveh no nanaovana ny lanitra;
ary ny fofon'ain'ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
       7 Manangona ny ranon'ny ranomasina izy toy ny zavatra iray miavosa,
ny ranon'ny hantsana ataony ao amin'ny fanangonana azy.
       8 Aoka hatahotra an'Iaveh ny tany rehetra!
Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
       9 Fa niteny ihany izy, dia hary izao rehetra izao,
nandidy izy dia nisy ny zavatra rehetra.
       10 Manakorontana ny fisainan'ny firenena Iaveh,
mahatsinontsinona ny hevitry ny vahoaka izy.
       11 Fa ny hevitr'Iaveh kosa maharitra mandrakizay;
ny fisainan'ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
       12 Sambatra ny firenena manana an'Iaveh ho Andriamaniny;
sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
       13 Mijery Iaveh eny an-danitra;
mahita ny zanak'olombelona rehetra izy;
       14 eny amin'ny fitoeran'ny fonenany dia tazaniny
ny mponina rehetra amin'ny tany,
       15 dia izy mpamorona ny fon'izy rehetra,
izy mpamantatra ny asan'izy rehetra.
       16 Tsy ny hamaroan'ny miaramilany no ahazoan'ny mpanjaka fandresena;
tsy ny heriny lehibe no ahombiazan'ny mpiady;
       17 ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena;
ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin'ny fahafahana.
       18 Ny mason'Iaveh mitsinjo izay matahotra azy,
dia ireo manantena ny hatsaram-pony,
       19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
       20 Miandry an'Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika;
famonjena antsika sy ampingantsika izy;
       21 fa izy no ataon'ny fontsika foto-pifaliana,
fa ny anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
       22 Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao,
araka ny anantenanay anao!