Ny Salamo
Toko faha-33
1 Mifalia ao amin'ny Tompo hianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.2 MiderĂ an'ny Tompo amin'ny harpa, mihirĂ ho azy amin'ny valiha tory folo.
4 Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.
5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy; henika ny hatsaram-pon'ny Tompo ny tany.
11 Fa ny hevitry ny Tompo kosa maharitra mandrakizay; ny fisainan'ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
12 Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
18 Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony,
19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.